4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamiko ny hira - NY MAHEFA

Mamiko ny hira ka dia hokaloiko

Sata ambony iray tena tsy foiko

mamiko ny hira fa tsy vazivazy

maka mamy koa ireo tia azy

mamiko ny hira fa mandrotsirotsy

amboniako mba tsy ho voaosy

mamiko ny hira fa mibaiko ahy

hampirindra fo sy ny fanahy



Raha tojo fahoriana sendra kapoka mavany

dia ny hirako ihany ampy fanafodin’ny tomany

raha kosa fifaliana ka mientana ny fo

ho miramirana aho, ho miramirana aho

hikalo ny hirako



Mamiko ny hira, mba hisaotra ary

hidera, hankalaza ilay Nahary

mamiko ny hira, mamiko tokoa

mamy ao an-tsainasy ao am-po

mamiko ny hira,  mamy tsisy fetra

miaraka amin’ny androko rehetra

mamiko ny hira, mamiko satria

enti-manambara ilay fitia



Raha tojo fahoriana sendra kapoka mavany

dia ny hirako ihany ampy fanafodin’ny tomany

raha kosa fifaliana ka mientana ny fo

ho miramirana aho, ho miramirana aho

hikalo ny hirako

Partager mamiko ny hira

Commenter mamiko ny hira

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY MAHEFA